Russie : Nodimandry tao am-pigadrana i Alexei Navalny
Namoy ny ainy tao amin’ny fonja nitazoma azy ilay lehilahy mpitari-tolona rosianina, no sady mpanohitra ny fitondrana Vladmir Poutine, Alexei Navalny, ny zoma teo. Tsy voafaritra mazava ny tena antony nahafatesany, raha ny voalaza. Ny andro nanatanterahana ny fitsarana azy, dia olona salama tsara ary tsy nahitana soritr’aretina ity farany. Mampanahy ireo mpomba sy mpanara-dia azy izany satria anisan’ny olona fanantenan’ireo rosianina, hitondra ny fahafahana izy, ary niady hatrany ho an’izany hatramin’ny farany izy. Hatramin’ny faran’ny herinandro teo, efa maro ireo olona tonga napetraka fehezam-bonikazo, teo amin’ny tsangam-baton’ny mahery fo, niady ho an’ny famoretana sovietika, tao Moscou, izay fanomezam-boninahitra ho an’i Alexei Nalvany.
