Gaza : Nobahanan’ireo Israelianina tsy handeha ny fiarabe mitondra fanampiana ara-tsakafo an’i Gaza
Nobahanan’i Israely, tsy navela nivoaka ny seranana, tao amin’ny Port d’Ashdod, ny fiara mitondra ny fanampiana ara-tsakafo ho an’i Gaza, ny herinandro teo. Ireo kaontenera miisa 1.049, tsy avela hietsika ireo anefa dia mitondra sakafo natao hamelomana ireo Gazanina mijanona manodidina an’i Rafah, izay atahorana ho mosary. Vatsy avy amin’ny firenena mikambana, omena ireo mponina mandritra ny iray volana ity voasakana ity. Marihina fa any amin’ny 30km, avaratr’i Gaza no voasakana ireo fiara lehibe izay mitondra lafarinina, menaka, voamaina, siramamy ary vary ho an’ny mponina ireto.
