ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Tsy mbola ampy ny fanentanana mahakasika ny fako

Tsy mbola ampy ny fanentanana sy ny fandaminana mahakasika ny fako ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Mitaraina manoloana ny tsy fahampian’ny fandraisana andraikitra momba izany ireo mponina ao an-toerana amin’izao fotoana.

“Mampalahelo raha ny zava-misy momba ny fitantanana ny fako eto amin’ny kaominina. Tsy ampy ny fanentanana ny mponina hanaja sy hanaraka ny torimarika fandaminana, tsy ampy ny fanaraha-maso sy ny fandraisana fepetra ataon’ny tomponandraikitra, hany ka manao izay tiany ny tsirairay kanefa mampiseho endrika ratsy ho an’ny tanàna izany”hoyi Haja, mponina ao Ambohimangakely.

“Raha ny fitantanana ny fako dia mbola mila ezaka lavitra ny kaominina Ambohimangakely. Miainga amin’ny fanovana toe-tsaina aloha izany voalohany indrindra, mila tia madio sy mitandro ny fahadioavana ary mitsinjo ny hafa. Ankoatra izay, dia ny fametrahana lamina manokana momba ny fako, toy ny fanajana ny toerana fanariana fako, ny ora fanaterana fako fa indrindra ny fahasahiana miteny sy ny fiaraha-mientana ho an’ny fahadioavana” hoy I Nekena, mpirotsaka an-tsitrapo amin’ny asa sosialy.

Ny fitantanana ny fako dia anisan’ny laharam-pahamehana tokony jeren’ny tomponandraikitra. Ao anatin’ny fahadiovan’ny tanàna no misy fandrosoana sy fivoarana ka tsy tokony atao ambanin-javatra izany.

Laisser un commentaire