ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Niroso tamin’ny fanamboaran-dalana ny kaominina

Maro ireo lalana simba nampitaraina ny mponina, tao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Hatramin’ny herinandro teo, tsy nitsahatra nitondra fanamboarana ireo lalana feno lavaka sy sarotra handehanana ny avy amin’ny kaominina tao an-toerana.

« Hisaorana ny kaominina nitondra fanamboarana ireo lalana. Zava-dehibe ho an’ny mpampiasa lalana izao fandraisana andraikitra izao na dia vonjimaika ihany aza. Tena nampijaly ary manimba fiara ny fahasimban-dalana io » hoy i Onja, mpitatitra.

« Fiara maro no mifamezivezy eto. Rariny loatra raha asiana fanamboarana ny lalana. Efa ela ny mponina, indrindra ny mpitondra fiara no nitaraina noho io faharatsian-dalana io. Ny hanentanana ny rehetra mba samy ahay hikjakoja sy hitandrina satria tsy mora vao tonga amin’ny fanamboaran-dalana izany » hoy i Mbolatiana, mponina ao Ambohimanambola.

Zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny tanàna ny fanamboarana ny lalana. Ho an’ny kaominina Ambohimanambola, anisan’ny vavahady hidirana amin’ireo kaominina hafa manodidina ity, ka raha ratsy ny lalana, dia anisan’ny sakana amin’ny fifaneraserana sy ny fivezivezen’ny vokatra, indrindra ho an’ny tantsaha.

Laisser un commentaire