Chagos : Nanomboka ny fisoratana anarana amin’ny fahazoana zom-pirenena britanika
Vondronosin’ny britanika ao amin’ny ranomasimbe indianina avaratra ny Chagos. Any amin’ny 1 174 km atsimon’i Malé ao Maldives ary any amin’ny 1 832 km any atsinanann’i Victoria ao Seychelles no misy azy.
Manoloana ny maha fananan’i Royaume-Uni an’io nosy io dia mahazo mangataka zom-pirenena britanika ireo mponina ao aminy. Nanomboka omaly 24 novambra tolakandro ny fisoratana anarana amin’izany. Ireo olona teraka tao an’ny nosy ary tarakan’olona teraka tamin’ireo nosy mandrafitra ny BIOT (British Indian Ocean Territory) ihany nefa no afaka misitraka izany.
Manana dimy taona hanaovana fangatahana ny olon-dehibe ao Chagos. Raha tsy ampy taona kosa ny mpangataka dia manana hatramin’ny faha-23 izy hanaovana ny fangatahana. An-jotra kosa no hanatanterahana ny fisoratana anarana ary mbola misy dingana maro arahina aorian’izany. Mety aharitra enim-bolana ny fandinihana ny fangatahana hoy ny tompon’andraikitra.
