Tontolo iainana : Ompiana ao anaty vala no mety amin’ny biby atahorana ho lany tamingana
Dépêche 25 novembre, 15h, Anisan’ny biby efa ho lany tamingana ilay varika kely indrindra izay tsy hita raha tsy eto Madagasikara na ilay antsoina hoe Microcebus berthae. Mety ho izy no varika mety ho lany tamingana ka hanjavona voalohany indrindra ho amin’ny taon-jato faha 21 ity noho ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny toeram-ponenany. Vahaolana azo atao anefa ny misambotra ireo ambiny ka hampidirina anaty vala hangalana taranaka sy ompiana loha ary rehefa mitombo dia afaka haverina amin’ny tontolony indray. Izany no hatao mba ho fiarovana azy ireny. Eo anilan’izany anefa dia mial omanina sy mampiasa ny fahaiza-manaony ireo manam-pahaizana mba tsy ahafaty azy ireny indray izany.
