Dépêches

Antanifotsy: Jiolahy iray tratra, tafatsoaka kosa ny namany.

Dépêche 14 décembre, 15h, Vao amin’ny 10ora alina dia efa manao ny asa ratsiny sahady ireo jiolahy tao Antanifotsy. Mbola tsy tonga teny an-toerana anefa izy ireo dia efa niantso ny mpitandro filaminana ireo mponina raha nahare fa mikononkonona amin’izany ireo jiolahy. Zandary miisa 5 no nalefa nisakana ireo jiolahy ka lavo tamin’izany ny jjiolahy iray raha nifanehatra izy ireo ary tafatsoaka kosa ireo ambiny. Ilaina mihitsy ny fiaraha-miasa amin’ny mponina toy izao mba hahafahana mandray fanapahan-kevitra mialoha hiarovana ny olona sy ny fananany.

Laisser un commentaire