ActualitésTatitra

Comores : Hanomboka ny taona ho avy izao ny tetikasa « connectivité inter-îles »

Ny tetikasa « connectivité inter-îles » dia entina hanamboarana seranantsambo hanamorana ny fifamezivezena malalaka ny entana sy ny olona eo amin’ny samy nosy. Vola 105 tapitrisa dollars no tetibola hampiasaina amin’izany izay avy amin’ny banky iraisam-pirenena ny 60 tapitrisa. Hisy ampahany amin’io vola io ihany koa hividianana ny sambo hiantoka ny fitanterana raha ny fanazavana.

Hatomboka amin’ny telovolana voalohan’ny taona 2023 izao io tetikasa io. Fanombohana ny fananganana ny seranan-tsambon’i Bwangoma ao Mwali no dingana voalohany hotontosaina amin’izany. Raha ny fanazavan’ny mpandrindra ny tetikasa, Mohamed M’madi Ahamada dia efa nanomboka ny fiantsoana ny orinasa izy ireo ary amin’ny 27 desambra izao no hotontosaina ny fandinihana ny antontan-taratasy.

Laisser un commentaire