ActualitésTatitra

France : Tovolahy 21 taona no nanolana tovovavy 11 isa nofandrihany tao amin’ny tambajotra sosialy

Tovolahy 21 taona no voarohirohy nanolana tovovavy 11 isa avy tao Loire sy Rhône. Nitovy avokoa ny fomba nisarihan’io lehilahy io ireo vehivavy ireo. Efa arahany mialoha amin’ny tambajotra sosialy sy « applications de rencontres » ireto farany ary rehefa manomboka miresaka aminy dia angatahany sary miboridana.

Mangataka hihaona amin’ilay vehivavy izy aorian’izany ary rehefa tsy manaiky izy dia rahoniny havoaka ny sariny. Vehivavy iray, 15 taona monja tamin’ireo no nitory io lehilahy io. Nanazava ny tenany nandritra ny fanadihadiana azy fa naolan’io  lehilahy io tao amin’ny hotely iray amin’ny boriborintany faha-7 tao Lyon izy.

Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra efa 11 isa ny vehivavy voajonon’io lehilahy io tamin’izany teti-drasa izany. Efa voasambotra kosa ny tenany ary tanana am-ponja vonjimaika.

Laisser un commentaire