ActualitésTsidika

Nahazo vola 150 tapitrisa Dolara avy any amin’ny Banky iraisam-pirenena indray i Madagasikara

Vao tsy ela akory izao no nandefasan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tany amin’ny Firenena mikambana ny fitoriana ny fanjakana Malagasy ny amin’ny fisian’ny sakana natao taminy. Tsy niandry ela fa nivaly sahady ny fitoriana hoy ny mpanara-baovao satria nisitraka famatsiam-bola avy amin’ny banky iraisam-pirenena mitentina 150 tapitrisa dolara indray i Madagasikara.

Famantsiam-bola izay hanaovana tetik’asam-pampandrosoana isa-paritra amin’ny sehatry ny fambolena, ny fanorenana foto-drafitr’asa ary ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina. Nohon’ny fahaiza-mitantana sy ny mangarahara amin’ny fitantanana ny volam-panjakana no nahazoana izao famatsiam-bola izao hoy ny solon-tenan’ny mpamatsy vola.

Misy mangarahara ihany ve izany eto Madagasikara ? Hanampy amin’ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina sy ny fanampiana ireo tanora, hanamora ny fampiasam-bolan’ireo orinasa, ary indrindra hanorina foto-drafitr’asa mifandraika amin’ny filan’ny faritra no tanjona kendrena amin’izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire