Fiaonan’ny solombavambahoaka sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta
24 Jona, 08h00. Tao antain’ny fotoana maro dia ny antso am-pifandraisana tamin’ny tamba-jotra-tserasera no nifandraisan’ireo depiote sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Fantatra kosa anio fa ho tanterahina ny alarobia 30 jona sy alakamisy 1 jolay 2021 etsy amin’ny CCI Ivato ny fihaonan’izy ireo mivantana. Ny talata 29 jona izao kosa no hiadina hevitra ny volavolan-dalàna momba ny famatsiam-bola izay hanatrehina mivantana ihany koa. Tontosaina miaraka amin’ny minisitry ny toe-karena sy ny vola. Ny fivoriana mahazatra ao amin’ny antenimieram-pirenena kosa dia kasaina hofaranana ny zoma 02 jolay 2021.
