Dépêches

Hand-Ball : Voahosotra ho tompondaka i Madagasikara tamin’ny alalan’ny Akio zandriny

Dépêche 28 novembre, 11h, Omaly 27 novambra no notanterahina tao amin’ny Kianjan’ny Mahamasina ny lalao famaranana ny IHF Trophy Zone 7 U20. Nifandona tamin’izany ny Akio zandriny izay ekipam-pirenena sy ry zareo avy ao Maurice. Voahosotra ho tompondaka ny Madagascar raha nandavo an’ny Maurice tamin’ny isa 37 noho ny 22. Voasoratra hiatrika ny lalao iraisan’ny kaontinanta izay hatao any Congo ny 12 ka hatramin’ny 18 desambra izao izany izy ireo taorian’izany izay hisolo tena ny Kaontinanta Afrikanina amin’ity lalao ity hatrany.

Laisser un commentaire