Etats-Unis : Renim-pianakaviana iray namono ny zanany naterany
Tranga hafakely no niseho tao San José ao Californie tany amin’ny fiandohan’ny fiandohan’ny volana tany. Niezaka nampinono ny zanany 8 volana i Célina Juarez, renim-pianakaviana 29 taona saingy nampanano sarotra izany ilay zaza. Sosotra io reny io notsindriany teo amin’ny tratrany nandritra ny 10 minitra ilay zaza ka ts afaka niaina intsony.
Rehefa tsy nikofoka intsony io zaza io dia napetrany teo ampandrina ary nalainy indray kambana tamin’ilay zaza ary noseporiny toy izany ihany koa. 20 minitra taty aoriana dia niantso ny reniny i Célina izay niezaka namelona ireo zaza. Ny anadahiny avy niasa kosa no niantso ny mpamonjy voina ary rehefa tonga tany amin’ny hopitaly dia namoy ny ainy ilay zaza noseoriny voalohany raha avotra kosa ilay faharoa.
Nosamborina io renim-pianakaviana io taorian’ny tranga. Manohana azy ny vadiny ary niantso tolo-tanana tamin’ny GoFundMe ho an’ny fiarovana azy saingy nofafan’ilay rindrambaiko izany. Nilaza i Artemio Juarez fa olona tia ny zanany io vadiny io ary miasa ho an’ny fianakaviany, fanampiana no ilainy hoy izy fa tsy fanaratsiana.
