ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Hisy ny fivoriana hanomanana ny famoahana ireo mpianatra informatique

Hisy ny fivoriana izay ho tanterahana amin’ny alahady ho avy izao, ho fanomanana ny famoahana ara-pomba ofisialy, ireo mpianatra nanaraka ny fiofanana ny taranja informatique tao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Amin’io andro io no fotoana hanatanterahana ny fiovoriana farany amin’ny fandaminana, raha ny voalaza.

« Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny famoahana ofisialy ireo mpianatra ny taranja informatique tato amin’ny kaominina amin’izao fotoana izao, dia miantso ireo mpianatra mba ho tonga amin’io alahady io satria io no fivoriana farany hiresahana sy hanapahan-kevitra ny mahakasika ny famoahana ireo mpianatra ka tena zava-dehibe ny fahatongavana » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.

« Maro be ny fikarakarana atao amin’ny famoahana mpianatra tahaka izao. Zava-dehibe ihany koa ny fiaraha-midinika eo amin’ny rehetra mba hahatontosa izany soa aman-tsara. Ary tsy vitan’ny hevitr’olo-tokana izany fa ilaina ny rehetra » hoy i Haingo, mpianatra amin’ny taranja informatique.

Ao amin’ny EPP Ambohimitsara Ambohimangakely moa no hanatanterahana ity fivoriana ity, izay hanomboka amin’ny 2 ora tolak’andro ary ny mpianatra na ny ray amandreny rehetra no antsoina hanatrika izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire