Antsakomanondro: Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana.
23 oktobra; Tao aorian’ny fihotsahan-dalana na ny “deviation” tany amin’ny kaominina Ambanivohitr’Antsakomanondro, lalana anelanelan’Ambanja sy Ambilobe, RN6. Efa niverina amin’ny laoniny nanomboka ny sabotsy 21 oktobra 2023 ny fifamoivoizana. Ny oram-be ny zoma alina no nahatonga ny fihotsahan’ity familian-dalana ity.
