Sabotsy Namehana : Vita amin’ny ampahany ny lalana ao Antsahatsiresy
Vita soaman-tsara amin’ny ampahany ny lalana ao Antsahatsiresy, kaominina Sabotsy Namehana amin’izao fotoana izao. Orinasa tsy miankina nitondra fanamboarana ny lalana, araka ny voalaza.
« Anisan’ny lalana tena faran’ny ratsy ary tsy afaka nandehanana ity lalana ity teo aloha. Hisaorana be dia be ireo tomponandraikitra avy amin’ny Société Panda sy ireo nanome tanana tamin’ny fanamboarana izany fa zava-dehibe ho an’ny mponina tokoa izao ezaka izao » hoy i Nivo, renim-pianakaviana.
« Tsy vaoatery hiandry tomponandraikitra vao afaka mitondra fanamboarana na asa fampandrosoana ety ifotony. Taratr’izany izao zava-bita izao. Ny fifanomezan-tanana no zava-dehibe ary ny firaisan-kina no mampisy ny fandrosoana » hoy i Ando,mponina ao Sabotsy Namehana.
Lalana anisan’ny nampitaraina ny mponina ao amin’ny fokontany Antsahatsiresy, ity lalana ity. Velom-bolo araka izany ny mponina amin’izao fotoana ary manantena ny hitohizan’ny asa hatrany ho fampandrosoana ny tanàna.
