Proche-Orient : Olona am-polony maty, takalon’aina roa avotra tao Palestine
Am-polony indray ireo maty vokatry ny fitifirana niseho tao Rafah, tanàna ireo ao amin’ny vohitra Palestina, omaly alatsinainy. Ity toerana ity izay hialofan’ireo palestinianina miisa 1,4 tapitrisa farany amin’izao fotoana. Ankoatra izay, takalon’aina roa notazonina tao Hamas ihany koa no navotsotr’ireo israelianina. Ankoatra izay, am-polony ihany koa ire naratra, izay nentina namonjy ny hopitaly tao Koweit. Ny ankamaroan’ireo lasibatry ny fipoahana izay tsy mahatsiaro tena, nihoson-dra ary mitondra takaitra mafy avokoa.
Talohan’izao tranga izao, efa nisy ny fanafihana an’habakabaka tao amin’ny vohitra palestinianina ity. Nahatratra 63 isa ireo maty vokatr’izany fipoahana izany raha toa ka am-polony ireo trano sy toeram-pivavahana rava.
