SocialTatitra

France: 20 taona hihidiana an-tranomaizina noho ny famonoana mpivaro-tena iray

Lehilahy iray 32 taona no voampanga higadra an-tranomaizina noho ny famonoana vehivavy mpivaro-tena iray, tamin’ny taona 2019. Taorian’ny fanaraha-maso nataon’ny fitsarana sy ny fizahana samihafa no nahatonga ny manam-pahefana any an-toerana namoaka izao didy izao. Raha ny hita tamin’ny vatan’ilay tovovavy, dia efa tsy nitafy ny ilan’ny vatany ary nahitana faritra may. Ny marainan’ny noely io vatany io no hitan’ny mpitsabo mpanampy iray tanaty “parc”, ity farany izay nitondra ny alikany nandendeha. Nahita izany ihany koa ireo mpandeha an-tongotra sy mpandalo tao an-toerana saingy tsy nihontsona nahita izany. Ny tombokavatsa tamin’ny tanany no nahafahana nisambotra ilay lehilahy nahavanona ny loza tamin’izany. Nisy ny horonan-tsary voarakitra tamin’ireo cameras de surveillance nahafahana nanao ny fanadihadiana ka voaporofo ireo zava-nitranga fa nisy tokoa ny famonoana ilay vehivavy nataon’ity lehilahy. Noho ny hatezerana fa hifindran’ny aretin’ny firaisana ara-nofo mety ahazo azy, noho ny faharovitan’ny fiarovana nampiasainy no voalaza nahatonga ity lehilahy ity hamono ilay mpivaro-tena.

Laisser un commentaire