SocialTatitra

Sahal : Mahafaty olona ny hafanana be loatra, vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro

Mamely ny hafanana ao Sahel, hatramin’ny niatombohan’ity volana ity ary tsy zakan’ny olombelona raha ny fanazavana nomen’ireo mpikaroka avy amin’ny World Weather Attribution (WWA). Noho ny fiovaovan’ny toetr’andro, izay vokatry ny hetsika ataon’ny olombelona ihany no mahatonga izany, raha ny voalaza. Ny herinandron’ny 1 ka hatramin’ny 5 aprily teo, tao Mali sy Burkina Faso, niaina tao anatin’ny hafanana be loatra ireo mponina ary anisan’ny naharitra izany, niaraka tamin’ny maripana mihoatran’ny 45°C ka niteraka fahafatesan’olona maro. Anisan’ny loza voajanahary nahafaty olona indrindra mihoatra amin’ireo loza voajanahary hafa ity hafanana ity. Ireo olona nahazo taona sy ny ankizy, indrindra ny zaza no tena tsy mahazaka izany, raha ny tatitr’ireo manam-pahaizana hatrany. Ho an’i Mali fotsiny, nahatratra hatramin’ny 48,5° C ny hafanana tamin’ity volana ity ary miteraka fahavoazana amin’ny sehatra maro ihany koa izany.

Laisser un commentaire