SportTatitra

Monaco : Fandresena ho an’i Max Verstappen

Dingana fanadimy eo amin’ny fiadiana ho tompondaka eran-tany amin’ny Formule 1 no notanterahina ny alahady teo tany Monaco. Nandresy tamin’izany i Max Verstappen (Red Bull). Faharoa kosa i Carlos Sainz (Ferrari), ary fahatelo i Lando Norris (McLaren). I Max Verstappen indray izao no mitana ny laharana voalohany eo amin’ny fiadiana ho tompondaka eran-tany (isa 105). Manaraka azy i Lewis Hamilton (Mercedes, isa 101), sy i Lando Norris (isa 56).

Laisser un commentaire