SportTatitra

Japon : Fanaovam-baksiny ireo mpandray anjara amin’ny Lalao olimpika

Nanome toky ny avy ao amin’ny Pfizer/BioNTech ny alakamisy 6 may lasa teo fa hizara vaksiny hiarovana amin’ny Covid-19 amin’ireo mpandray anjara ny Lalaon’ny nosy any Tokyo Japon. Amin’izay mba hizotra tsy hampiahiahy ny lalao izay nampitaintaina ireo mponina Japonaise fa ho ara-pahasalamana tsara. Hanao laharam-pahamehana ny fanaovam-baksiny amin’ity lalao ity ny CIO satria zava-dehibe ara-pomba ny filalaovana. Raha ny any France manko izao efa natomboka ny fanaovam-baksiny ireo Atleta. Ity lalao ity kosa dia ho tanterahina ny 23 jolay hatramin’ny 8 Aogosotra ka amin’ny faran’ny volana ayy izao no hatomboka ny fandefasana ny vaksiny BioNTech/Pfizer. Mpilalao hatramin’ny 11 000 no horaisina amin’io lalao io raha efa nahavita vaksiny ny ankamaroany fa mahatratra hatramin’ny olona an’arivony no vitan’io vaksiny nomena io ary ka mety ho vita hatramin’ireo delegasiona izany.

Laisser un commentaire