Afrique du Sud : Inona moa no atao hoe “Zoulou” ?
Olona mipetraka any atsinanan’i Afrique izay miteny amin’ny fiteny maro no antsoina hoe Zoulous, any amin’iny faritra Afrique du Sud iny no tena misy maro azy ireo. Ny mpanjaka Chaka no nanambatra azy ho iray ary nahatonga ireo olona 1 500 izay natambany ho lasa foko iray tena atahorana sy matanjaka amin’ny fandresena sy ny famonoana olona. Iray amin’ireo antony nahatonga ny mfecane sy ny fifindra-monina ao ambonin’i Tugela sy Pongola. Anisany ahafantarana azy ireo ihany koa fananany fitaovam-piadiana tsara sy miavaka. Nifandona tamin’ny mpanjanaka Boers sy ny tafika Britanika ny Zoulous tamin’ny taonjato faha19 noho io fananany fitaovam-piadina tsara ary tena nahagaga ny eoropeanina ny tetik’ady nampiasainy. Mpamboly ny ankamaroan’ireo Zoulous amin’izao fotoana anefa na izany aza misy ihany ireo voasarika ho any andrenivohitra tamin’ny taonjato faha20 iny. Ao Witwatersrand no misy ireo Zoulous an-tanan-dehibe, toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany any amin’ny faritry Gauteng. Eo amin’ny resaka politika kosa, mizara roa ka ao ireo manohana ny Congrès national Africain ary ao kosa ireo manaraka ny Parti Inkatha de la liberté. Nitrangana korontana mahery vaika teo amin’ireo antoko roa ireo teo am-piandrasana ny fifidianana voalohany tao aorian’ny Apartheid (fanavakavahambolonkoditra).
