Burkina Faso : Tahirina dinamita nipoaka, nahafaty olona 55
Fitahirizana dinamita iray tao amin’ny toeram-pitrandrahana volamena tao Gomgombiro, ao atsimo andrefan’i Burkina Faso, no nipoaka ny alatsinainy hariva teo. Raha ny antontanisa vonjimaika dia olona 55 no maty nandritra io loza io. Olona am-polony ihany koa no naratra nandritra izany hoy ny Kaomisera ambony ao amin’ny faritanin’i Poni, Antoine Marie Sylvanus Doamba.Heverina mbola hiakatra kosa izany isa izany noho ny fahatahorana ny ain’ireo naratra maro. Misy aza ireo haino aman-jery mampiakatra ny antontanisa ho 59. Ngazana tanteraka kosa ny toerana noho io fipoahana nahatsiravina io.
