ActualitésTatitra

Etats-Unis : Sofía Jirau no modelin’ny Victoria’s Secret voalohany manana fahasembanana

Hatramin’ny volana jolay 2021 dia niezaka nitondra zava-baovao tao amin’ny orinasany ny Victoria’s Secret. Maneho ny lanjan’ny vehivavy rehetra izy amin’izao fotoana indrindra manoloana ny famoahany ny karazan’atin’akanjo vaovao antsoina hoe « Love Cloud ».Niantso vehivavy 18 nanana toetoetra sy endrika samihafa izy, misy vehivavy vaventy izany (grande taille), vehivavymnalemy, vehivavy « trangenre », vehivavy bevohoka ary vehivavy nitondra ny « syndrome de Down » na « trisomie 21 » izay nanamarika ity « collection » ity.Sofía Jirau no anaran’io vehivavy modelin’ny Victoria’s Secret voalohany manana fahasembanana io, ary voalohany teo amin’ny tontolon’ny lamaody mihitsy izany. 25 taona ny tenany, ary maro ny olona nanohana azy tao amin’ny tambajotra sosialy.

Laisser un commentaire