Brésil : Zazavavy 9 taona maty sepotry ny rano
Maty sepotry ny ranon’ny dobo filomanosana nandritra ny fankalazana ny faha 75 taoan’ny raibeny i Mariana dos Anjos Faria, 9 taona. Nivory tao amin’ny toeram-pilanonana iray tao Matto Grosso do Sul ao Brésil ny fianakaviana tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza.Nilalao rano tao amin’ny dobo filomanosana izy raha ny voalaza kanjo niraikitra tao amin’ny sivanan’ny dobo ny volony ka tsy tafarina. Sepotry ny rano tao izy ary niezaka nanavotra azy ny rainy saingy tsy nifoha izy. Nentina tany amin’ny hopitaly ihany kosa izy saingy efa tara loatra hoy ny mpitsabo.Tandrevaka na tsy fitandremana kely monja avy amin’ny ray aman-dreny na tompon’antoky ny zaza dia mety ahitan-doza.
