ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Notokanana ireo efitranon’ny sekoly vaovao ao Falimanjaka

Notokanana ny faran’ny herinandro teo ireo efitrano fianarana vaovao , tao amin’ny EPP Falimanjaka, kaominina Talata Volonondry. Ho tombotsoan’ny mpianatra ao an-toerana, dia natao ezaka ny famitana izany efitranon’ny sekoly izany.

“Foto-drafitr’asa nataon’ny kaominina sy ny komity fanorenana ary ny fokonolona, nampian’ireo mpiara-miombon’antoka isan’ambaratongany no nahafahana nanangana ireo efitranon’ny sekoly ireto. Hisaorana araka izany izy ireo noho ny fanohanany sy ny fijerena ny tombotsoan’ny mpianatra” hoy ny avy amin’ny kaominina.

“Tena mahafinaritra tokoa ny mahita ny ezaka asehon’ireo tomponandraikitra amin’ny fanatsarana sy fanamboarana ny sekoly tahaka izao. Hirariana hitohy hatrany izany ka hisy vokany eo amin’ny fampivoarana sy fampandrosoana ny lafin’ny fampianarana sy ny fanabeazana eto amin’ny kaominina” hoy i Sahondra, mpampianatra.

Tonga nanontrona izany fitokanana izany tao an-toerana moa ireo ben’ny tanàna avy amin’ny kaominina rahavavy, ny sefo distrika, ny sefo Cisco, ny sefo Zap, ny talen’ny Vivo Eneregie ary ireo filohan’ny fikambanana mpiara-miombon’antoka amin’ny kaominina.

Laisser un commentaire