Fitaterana : Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny Air France mandrapiverenan’ny Air Madagascar tsara amin’ny asany.
Ara-ekonomia, tsy afaka hiandry ny fiverenan’ny Air Madagascar amin’ny laoniny vao hiverina hiasa ny habakabaky Madagasikara ka noho izany dia tsy maintsy misy ny fiara-miasa amin’ny orinasa hafa avy any ivelany. Araka izany dia namela an’ny Air France hampitombo ny sidika izay hampiasainy eto Madagasikara ny Air Madagasikara hahafahana mameno ny banga izay hita taratra.
« Ara-ekonomika no nandraisana izany fanapahan-kevitra izany. Tsy tokony handà ny vola miditra ho an’ny fanjakana mihitsy izahay ka izany no nahatonga ahy nanaiky ny fampidirana sidina fahadimy ho an’ny Air France hahafahana mitondra ireo mpizahatany maro be maniry ho tonga aty ireo satria vola miditra ireo ka izahay indray ve no hanakana izany raha ho an’ny firenena », hoy i Rolland Ranjatoelina, filohan’ny ASECNA.
« Potika tanteraka ilay compagnie, mahazo vahana ny kaompania vahiny satria izy ireo indray izany no hitondra ny baolina aloha. Efa firy taona izay mbola tsy nahitana vahaolana ihany ity sehatra ity. Tsy hoe ny fanovana ny anaran’izy io dia hitondra fanovana sy fampivoarana fa mila tomorina akaiky ny fototryn ny olana ary vahana hatrany amin’ny fotony izany », hoy i Alphonse, mpanara-baovao.
Na dia eo aza izany fiaraha-miasa amin’ny kaompania vahiny izany dia tsy natao ambanin-javatra ny fitaterana anatiny izay nampitomboana toy ny fitaterana ho an’ny Le Cap sy i Mahajanga ary ny sidina mvantana avy ao Mahajanga makany Italie efa andalam-panatanterahana. Anaty hamehana isika no anton’izao fanekena fiaraha-miasa izao saingy rehefa miverina amin’ny laoniny ny Air Madagasikara dia hiverina aminy avokoa ny fikarakarana ny sidina rehetra.
Miora Raharisolo
