Etats-Unis : Mpampianatra iray nanome mofo feno ranonaina ny mpianany
Voaheloka ny higadra 41 taona i Cynthia Perkins, 36 taona rehefa nanome mofo na « cupcakes » feno ranonain’ny vadiny ny mpianany tao amin’ny Westside Junior High School. Reny nanan-janaka narary noho izany no nametraka fitarainana. Tokony mbola navesatra noho izany ny saziny hoy ny tompon’andraikitra saingy nanao fifanarahana tamin’ny mpampanoa lalàn’i Louisiane, Jeff Landry izy.Nihaiky heloka maro ity vehivavy ity nandritra ny fitsarana azy, anisany ny « pédopornographie » na horonantsary mamoafady ankizy sy fanolanana. Heloka 150 no niampangana azy saingy nanazava izy fa ny vadiny Dennis Perkins no nitarika azy nanao izany. Nanaiky ny hanalana ny sazy 68 niampangana azy ny mpampanoa lalàna rehefa nanaiky ny hanameloka ny vadiny mandritra ny fitsarana azy amin’ny volana mey izao izy.Nangataka fisarahana kosa izy taorian’ny niampangana azy. Marihina fa manan-janaka vavy kely izy mivady ireo ary efa nomeny io « cupcakes » io ihany koa.
