Italie : Tsindrin-tsakafo be mpihinana indrindra ny « tiramisu »
Tsindrin-tsakafo mampiavaka an’i Italie ny « tiramisu ». Raha adika mazava ny heviny dia « sitony miakatra aho ». Tao amin’ny faritanin’i Frioul-Vénétie Julienne no niavian’ity sakafo ity ary ny « chef pâtissier » Roberto Linguanotto na Loly manana ny toeram-pisakafoana Alle Beccherie ao Trévise tany amin’ny taona 1960 no notendren’i Giuseppe Maffioli namorona azy.Ny mpisotro kafe no tena makafy « tiramisu », « biscuit à la cuillère » na biscuit lavalava no ampiasaina aminy, atody, « sucre glace », « mascarpone », kakao vovony ary indrindra ranona kafe.
