ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mila mitandrina hatrany amin’ny fifamoivoizana

Nisehoana tranga lozam-pifamoivoizana teny Ambatomitsangana Ambohimangakely ny 6 febroary lasa teo. Fiara fitateram-bahoaka amin’ny zotra E no nivadibadika. Vokany : vehivavy mpandeha tongotra iray no fantatra fa namoy ny ainy. Naratra mafy kosa ny mpamily ilay fiara, nentina haingana tey amin’ny tobim-pahasalamana.

Tonga nizaha ny zava-misy teny ny mpitandro filaminana. « Mbola tsy fantatra mazava aloha ny anton’izao loza mahatsiravina izao. Na izany aza, efa tena fanaon’ireo fiara ireo mihitsy ny mandeha mafy miady laharana. Mila ny tompon’andraikitra hampatsiahy azy ny tokony hanajana ny lalàna » hoy i Vero, mponina ao Ambohimangakely.

Lahitokana tokoa ny aina. Mila tsaroana lalandava fa fiantohana ny ain’olona entina sahady ny fampiakara azy ireo ao anaty fiara. Tompon’andraikitra amin’ny ain’ny mpandeha ny mpamily. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire