Sakafo : Misy ny fifaninana famoronana sakafo vita amin’ny haninkotrana
Hisy ny fifaninana mikasika ny talenta amin’ny fahaizana mamorona sakafo vita amin’ny haninkotrana ny 5 aogositra 2022 izao ao amin’ny ONG MDE Ankazotokana. Hatramin’ny 1 aogositra 2022 izao ny fisoratana anarana.
« Sakafo tsara ahodina sy afaka handraharahana ny haninkotrana. Mila trandrahana sy atao miavaka tsy faihta fotsiny ny vokatra » hoy ny mpikarakara. « Hisy ny loka hozaraina ho an’ny mpandresy. Azo atao tsara ihany koa anefa ny manohy ilay talenta ho lasa fidiram-bola » hoy hatrany izy ireo.
Ny fahaizana mitrandraka ny eo am-pelatanana tokoa no tena ilaina amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Fantarina ny talenta, hatsaraina izay misy ary atao miavaka manintona ny olona ny vokatra.
Nicole Rafalimananjara
