Fahasalamana : Namangy ny CSBII Ankadikely ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka
Ny CSBII Ankadikely indray no novangian’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka nandritra ny hetsika vangivangy eny amin’ny tobim-pahasalamana. Fandaharana iray novolavolain’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, Fitaleavam-paritr’Analamanga sy ny UNICEF izy ity.
« 8 km miala ny renivohitra no misy ny kaominina Ilafy, manaraka ny lalam-pirenena fahatelo. Manodidina ny 160 000 ny isan’ny mponina teo amin’ny kaominina ary izay no sahanin’ny CSBII » hoy ny lefitry ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy izay misahana ny ara-tsosialy sy ny ara-pahasalamana, Rasolofomihaja Sitraka. « Maro ny tolotra hita ato amin’ny CSBII Ankadikely Ilafy. Eo ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, ny fandraisana an-tanana ny reniny sy ny zaza, ny fanaovana vaksiny toy ny vaksiny miro amin’ny covid-19. Misy ihany koa ny fanentanana hampahafantarana ireo fihetsika ara-pahasalamana indrindra ho an’ny reny sy ny zaza » hoy Dokotera Rasoavololona, miasa ao amin’ny CSBII Ankadikely Ilafy.
Manentana hatrany ireo mponina ao aminy indrindra ireo vehivavy bevohoka sy mampinono mba hanao vaksiny miady amin’ny coronavirus.
