Dépêches

Poste avancé Behenjy : Mpangalatra roa tratra

24 Martsa, 16h00. Mpangalatra vokatra roalahy no tratran’ny zandary manao sakana teo Tsinjony ny 22 martsa teo. Nosavaina ny fiara nitondra azy ireo sy mpandeha tamin’io fotoana io ka hita mailomailo izy roalahy. Nosavaina izy ireo ary saika nitsoaka saingy voasambotra. Nahatratrarana katsaka sy mangahazo 3 gony ny enatan’izy ireo izay fantatra mazava ny nahazoany azy. Nivaky izy ireo fa halatra io vokatra io ka nentina teny amin’ny biraon’ny zandary avy hatrany.

Laisser un commentaire