Nikaon-doha ny kaomisionina mandrafitra ny famolavolana ny lalàna mifehy ny asa vaovao
24 Martsa, 15h15. Ho fanatsarana ilay volavolan-dalàna vaovao mifehy ny asa sy ny lalàna sosialy, mialoha ny hanolorana azy amin’ny governemanta dia notohizana omaly ny fikaonan-dohan’ny kaomisionina mandrafitra ny famolavolana ity lalàna mifehy ny asa vaovao ity na « Commission de Réforme de Droit des Affaires » (CRDA) sy ny biraon’ny Sampan-draharaha iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) eto Madagasikara. Notontosaina teny amin’ny Hôtel IBIS Ankorondrano izany.
