Andro manerantany ho an’ny fahasalamana : Ny akon’ny fankalazana
08 Aprily, 10h00. Nankalazaina omaly 7 aprily ny andro manerantany ho an’ny fahasalamana. « Antoky ny fahasalamantsika ny tany honenantsika » ny lohahevitra nobanjinina tamin’izany.
Faritra maro no nankalaza ity andro manerantany ho an’ny fahasalamana ity. Ho an’ny faritra Anosy dia nisy ny tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana, izay nahitana fizaham-pahasalamana ankapobeny, fitiliana diabeta, fijerena tosi-drà, fitiliana tazomoka, fitiliana IST/VIH, fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny covid-19. Natao tao amin’ny tranompokonolona Tanambao izany ary nifarimbonan’ny ekipan’ny Distrika (EMAD) sy ny Faritra (EMAR).
Ho an’ny faritra Boeny kosa dia nomarihana tamin’ny hetsika fizaham-pahasalamana faobe, fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny covid-19 sy asa fanadiovana izany. Nanao izany asa fanadiovana izany ihany koa tompon’andraikitra isantsokajiny tao amin’ny distrikan’i Vatomandry.
