Dépêches

Fifidianana : Tetijk’asa  « Participe », hanentanana ny fandraisana anjaran’ny tsirairay

Dépêche 14 mars, 11h, Efa andalam-panomanana ny tetik’asa « participe »ny avy eo anivon’ny Fondation Friedrich-Ebert-Stiftung (FES). Tanjona ny hanentanana ny olom-pirenena ho lasa mpisehatra manolo-tena amin’ny fametrahana ny zotram-pifidianana mangarahara, demokratika ary mitombina kokoa eto Madagasikara. Haharitra valo volana izany ary hifantoka amin’ny hetsika telo. Voalohany, ny “empowerment” ny tanora amin’ny alalan’ny fandaharanasany “Youth Leadership Training Programme” (YLTP). Avy eo ny fampivoarana ny fahaiza-manaon’ny antoko politika amin’ny alalan’ny fifampizarana amin’izy ireo ny fahalalana sy ny fitaovana ilaina ahafahana manatsara ny fomba politika eto Madagasikara. Ary farany, hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny fiarahamonim-pirenena amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana.

Laisser un commentaire