ActualitésTatitra

Maurice : Nangiana ny fankalazana ny faha-55 taona nahazoan’ny nosy ny fahaleovantenany

Nankalaza ny faha-55 taona nahazoany ny fahaleovantenany ny nosy Maurice ny 12 martsa teo. Nisy ny fihaonan’ireo tompon’andraikitra ambony samihafa tao amin’ny Château du Réduit, trano fonenan’ny governora mpanjanaka britanika teo aloha manoloana izany. Tsy nisy kosa nefa ny famoriam-bahoaka.

Nilaza ny praiminisitra Pravind Jugnauth taorian’izany fa ninia nanamaivana ny fanamarihana io tsingerin-taona io mihitsy ny fitondram-panjakana izay tsy te handany vola amin’ny fanasana olona maro sy ny fanapoahana afomanga. Efa telo taona nefa no tsy nisy izany lanonana ho an’ny daholobe izany noho ny valan’aretina Covid-19.

Laisser un commentaire