ActualitésTsidika

Alasora : Nisy ny atrikasa momba ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy

Nisy ny atrikasa, fanentanana ary fampahafantarana ny mahakasika ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ireo olona marefo, notanterahina teny Alasora, ny talata. Voaresaka tao anatin’izany avokoa ireo herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy ary amin’ny zaza tsy ampy taona, araka ny voalaza.

« Novelabelarina nandritra izany fotoana izany ny fampahafantarana ireo karazana herisetra misy eo anivon’ny fiara monina, ireo paikady hisorona izany, ary ireo fepetra raisina raha misy trangana herisetra. Izany moa dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politika 100 andron’ny filohan’ny Repobilika » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Anisan’ny tsy mba voaresaka matetika kanefa maro ireo miaina sy ianjadian’ny herisetra isan’andro, isan’ora eny amin’ny sehatra sy ny fiaraha-monina rehetra eny. Miainga avy amin’ny fanabeazana sy ny fampahanfantarana anefa no ahafana miady izany fa indrindra ny tantsoroka ireo olona voasokajy ho marefo mba hanomezana toerana azy ireo » hoy i Nekena, mpirotsaka an-tsitrapo.

Miseho amin’ny endriny maro ny herisetra. Azo atao tsara anefa ny mitoroka na mametraka fitaraina eny amin’ireo polisim-pirenena raha mahita na iharan’ny trangana herisetra eny amin’ny fiaraha-monina.

Laisser un commentaire