Ambohimanambola : Mitohy ny fiaraha-mientana ho an’ny fandriam-pahalemana
Mitohy hatrany ny hetsika tana-maron’ny fandriam-pahalemana ataon’ny zandary, iarahana amin’ireo mponina ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Misy hatrany ny fisafoana sy ny firotsahana an-tsehatra ataon’izy ireo, raha ny voalaza.
« Manao ny ezaka hatrany ny mpitandro filaminana, indrindra amin’izao fotoana izao dia manamafy ny firotsahana an-tsehatra hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Ao anatin’izany ihany koa no hanamafisana ireo hetsika ataon’ny mponina amin’ny andrimasom-pokonolona, ka mifanome tanana sy miara-mientana amin’izy ireo eny ifotony » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
« Mamely ny resaka tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana. Ankoatra ny vaky trano dia mamely ihany koa ny asa fanendahana. Eny amin’ireo kihon-dalana sy maimaizina no tena ahitana ireo mpanao asa ratsy ary lasibatra ireo mpody alina ka eny no tokony tsy ho tapaka mpitandro filaminana miandry » hoy i Elie, mponina ao Ambohimanambola.
Ny mpitandro filaminana no tokin’ny vahoaka hiaro azy amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Manantena ny zandarimaria ary miandry vokatra tsara, indrindra ny fahatsaran’ny lafin’ny fandriam-pahalemana araka izany ny mponina.
