ActualitésTsidika

Antananarivo : Nitsirika ireo kodiaran-droa ny mpitandro filaminana

Nanao fitsirihana tampoka ireo mpitondra kodiaran-droa ny Polisim-pirenena omaly. Matetika mantsy dia ny tsy fanajan’izy ireny ny lalàn’ny fifamoivoizana no tena mahatonga ny loza.

« Maromaro ny moto tratra mangalatra file sy mihoatra avy any ankavanana rehefa tratran’ny fifamoivoizana. Ireo fiara mifanena amin’izy ireo indray no sahirana sy mitandrina tsy hisian’ny loza. Mila manaraka ny lalàn’ny fifamoivoizana ny rehetra mba hisian’ny firindrana sy filaminana » hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena. « Misy moto sasany aza miakatra ety amin’ny lalan’ny mpandeha tongotra. Izahay indray no mijanona sy manome lalana azy » hoy i Menja, tanora monina ao Ambohijatovo.

Ankoatra ny fanasaziana nomena azy ireo, nobeazina izy ireo hanaraka ny lalàn’ny fifamoivoizana. Ekena fa isany hitondrana moto ny fialana amin’ny fitohanana. Mila mahay sy manaraka ny lalàn’ny fifamoivoizana kosa anefa mba tsy hiteraka fahasorenana ho an’ny mpampiasa lalana hafa izany na ihany koa hiteraka lozam-pifamoivoizana.

Laisser un commentaire