Fitaterana : Tokony hisy vahaolana fitsinjovana manoloana ny mety ho fiakatry ny saran-dalana
Nanao filazana ny mety hiakaran’ny saran-dalana eto Antananarivo ny fivondronan’ireo Kaoperativam-pitaterana andrenivohitra. Noho ny fiakaran’ny solika no anton’izany. « Efa manomana ny sain’ny mpanjifa sahady izahay mpitatitra ny amin’ny mety ho fiakaran’ny saran-dalana eto andrenivohitra. Niakatra ny vidin’ny solika ka hiakatra ihany koa ny saran-dalana. Miantso ny fanjakana anefa aloha izahay mba hitady vahaolana amin’izao ho fitsinjovana ny rehetra » hoy ny avy ao amin’ny Fivondronan’ireo kaoperativam-pitanterana andrenivohitra (UCTU).
« Ny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena mihitsy no miakatra ny vidin-tsolika. Manana andraikitra ny hamaha izany olana izany eto Madagasikara anefa ny mpitondra. Efa mampitaraina ny maro aza ny tsy fahatakarana ny saran-dalana amin’izao kanefa vao maika ho ampiakarina indray » hoy i Fidy, mpanjifa. Noho ny krizy nateraky ny covid-19 no vao maika nampiakatra be ny vidin’ny solika ary eo ihany koa ny ady any Ukraine. Tsy voatazon’ny fanjakana intsony ny fiakaran’ny vidin-tsolika teto amintsika nanomboka ny 2019 hany ka mampitaraina ireo mila izany.
Mila vahaolana maika sy maharitra izany mba hisian’ny fandrosoana.
Nicole Rafalimananjara
