ActualitésTatitra

Etats-Unis : Vehivavy iray no nahita ny razan’ny vadiny tao anaty « armoire » valo volana taorian’ny tsy nahitana azy

Tsy hita nanomboka ny volana aprily 2022 teo tao Illinois, Etats-Unis i Richards Maedge. Ny vadiny Jennifer Maedge no nampandre ny manam-pahefana manoloana izany. Natao ny fanadihadiana saingy tsy nahitam-bokany. Tsy nahita na dia singa iray mety nahitana an’i Richards Maedge ireo manam-pahefana.

Talohan’ny fetin’ny noely kosa no hita ny razan’i Richards Maedge ary tsy taiza fa tao an-tranony ihany. Rehefa naka haingo nandravahana ny tranony tao anaty « armoire » iray i Jennifer Maedge dia nahita ny vadiny tao anatin’izany. Avy hatrany dia niantso ny manam-pahefana io renim-pianakaviana io ary natao ny fanadihadiana.

Raha ny fantatra dia namono tena io lehilahy io rehefa avy nifamaly tamin’ny anabaviny momba ny rainy izany tsy salama. Efa am-bolana maro kosa i Jennifer Maedge sy ny mpiray vodirindrina taminy no nitaraina momba ny fofona ratsy saingy tsy nihevitra fa ny razan’ny vadiny no niteraka izany.

Laisser un commentaire