Toe-karena manga: Ampiana tosika ny fiarovana ireo voka-dranomasina hoy ny Ministera.
Hamafisin’ny Ministera hatrany fandraisan’izy ireo andraikitra amin’ny fiarovana ireo biby andranomasina ao anatin’ny fari-dranomasin’ny Madagsikara iray manontolo. Sambo kely miisa 40 no ho tong any amin’ny volana jona any sy azo ampiasaina entina hiadiana amin’ireo mety ho mpangalatra sy ho fiarovana sy fikolokoloana ireo hazan-dranomasina.
“Mitentina hatramin’ny 14 ka hatramin’ny 16tapitrisa dolara be izao no mety ho vola very noho ny fisian’ny jono tsy nahazoana alalana sy antsokosoko. Na ny firenena iray manontolo na ireo mpanjono madinika dia misedra izany fahaverezana vola betsaka izany ka izay indrindra no nanafarana ireto sambo natao hiarovana ny fari-dranomasina ireto”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena manga.
“Noho ireo ezaky ny Fitondram-panjakana, izay miara-miasa amin’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny teteik’asa SWIOFISH sy ny governemanta Japoney dia nahazo “vedettes rapides” teo amin’ny 10 teo ny Ivontoerana mpiaro ny fari-dranomasin’ny Madagasikara”, hoy hatrany ny fanazavana.
“Afaka hampiakatra ny fidiram-bolanay indray izany izahay izao satria mety ho voaaro amin’ireo mpangalatra ny fiharianay. Hitondra tombony ho anay izany dia tianay raha mba tonga aloha fa tsy ela be”, hoy i Jeannot, mpanjono avy ao Mahajanga.
Sehatra iray ahitana mpisehatra maro sy isan-karazany ity sehatry ny jono ity. Mbola hahafahana mampiasa vola tsara raha ho an’ireo mpanadraharaha noho ny harena an-dranomasina betsaka an’ny Madagasikara. Hampiasa vola ihany ve tsy aleo mamelo-maso ny fampiroboroboana ny toe-karena eto Madagasikara.
Miora Raharisolo
