Algérie : Mandrahona ny hanapaka ny fifanarahana famatsiana entona an’i Espagne i Algérie
Manoloana ny fifanolanana ara-diplaomatika eo amin’i Madrid sy Rabat momba an’i Sahara Andrefana dia nanadrahona an’i Espagne hanapaka ny fifanarahana famatsiana entona azy i Algérie. Raha tsiahivina dia namatsy « gaz naturel » naherin’ny 40% an’i Esoagne ny orinasa « hydrocarbure Sonatrach » ao Algérie ny taona 2021 teo.Nianga tao Algérie ary nandalo tao Maroc tamin’ny salalan’ny GME (Gazoduc Maghreb Europe) ny ampahan’ireo entona ireo. Noho ny disadisa ara-diplomatika nefa dia nahatsahatr’i Algérie izany ka lasa tsy nisitraka ny entona avy tao Aglérie intsony i Maroc.Nilaza tamin’ny ministeran’ny angovo sy ny harena an-kibon’i Algérie Mohamed Arkab nefa ny mpitondra-tenin’i Espagne Teresa Ribera fa ho sokafan’izy ireo io lalana io, anton’izao fandrahonana izao.
