ActualitésTsidika

Nosy Varika : Hafakely ny latsa-bato

Hafakely ny latsa-bato tamin’ny fifidianana sefom-pokotany tao amin’ny Nosy Varika. Vato mihitsy no alatsak’ireo mpifidy ao anatin’ny fasiana azy. Efa fanao fahiny io fomba fifidianana io, saingy rehefa tonga ireo vahiny sy ny fandrosoana dia navadika ho taratasy izany.

Efa nisy fahiny ny hala-bato : ny vato mihitsy no nangalarina nafindra na nafenin’ny mpanisa vato.  Marihina fa mbola ireo faritra ambanivohitra maro no mbola mitana io fomba fandatsaham-bato io.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire