ActualitésTatitra

Etats-unis: Manahy ny hanafihan’i Donald Trump an’i Chine ny manam-boninahitra américain ambony indrindra

Manahy ny manam-boninahitra américain ambony indrindra ny Pentagone, Mark Milley amin’ny mety ho ataon’i Trump amin’ny fotoam-piasany farany, indrindra tao aorian’ny fanafiana ny « Capitole ». Nandray fanam-pahan-kevitra miafina mantsy izy mba tsy hisian’ny ady eo amin’ny firenena sy i Chine izay ahafahan’ny filoha américain manafika nokleary raha tsy mifampiresaka aminy aloha.Io manam-boninahitra américain io no niantso tao Chine fa tsy hanafika an’i Chine i Etats-unis. Nilaza tamin’ireo mpiara-miasa taminy ihany koa izy mba tsy hanaraka avy hatrany ny baikon’i Donald Trump, indrindra eo amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana nokleary.

Laisser un commentaire