Chine: Mitovy amin’ny 110 taona amin’ny olombelona ny 38 taonan’ny panda
Anisany ahafantarana ny panda ny lokony mainty sy fotsy. 105,5 kg amina refy 1,65 metatra no antoniny amin’ny habeny. Eo amin’ny 20 hatramin’ny 25 taona eo ny faharetan’ny fiainan’ireo biby ireo saingy nilaza kosa ireo manam-pahaizana fa 15 taona eo izany ho an’ny panda lahy miaina anaty zava-boary.Mitovy amin’ny 110 taona amin’ny olombelona kosa ny 38 taonan’ny panda. I Xin Xing maty tamin’ny desambra 2020 teo sy i no panda goavana vavy mahatratra io taona io, teraka ny taona 1982 izy. Niaina ao anaty “Zoo” izy ary avy any amin’ny distrikan’i Baoxing ao amin’ny faritanin’i Sichuan. Ankoatra azy dia nahatratra io faha 38 taona io ihany koa i Jia Jia tao amin’ny Ocean Park Hong Kong, maty ny 16 oktobra 2016.
