Ambohimangakely : Mitaraina manoloana ny haratsian’ny lalana ao amin’ny fokontany Ikianja ny mponina
Mitaraina manoloana ny zava-misy ao Ankadivory, fokontany Ikianja avaratra, ireo mponina ao an-toerana. Orinasa iray nametaka ireny antsoina hoe « cable souterrain » ireny ka niteraka fahasimbana teo amin’ny lalana, izay efa tsy nisy fanamboarana hatramin’ny ela, araka ny voalaza.
« Tena mijaly ny mpampiasa ny lalana, indrindra ireo mitondra fiara satria mamala sady mamotaka ilay lalana nampian’ny rotsak’orana nisesy ka tena tokony jeren’ny tomponandraikitra manokana satria tsy rariny loatra ilay zava-misy » hoy i Aina, mpitondra fiara.
« Ilaina foana ny manao ny étude d’impact environnemental et social amin’ny fametrahana zavatra goavana tahaka izao. Orinasa lehibe ihany koa no mametraka izany ka tokony ahalala ny fiantraikan’izany eo amin’ny mponina, indrindra tokony hamerina amin’ny laoniny ny zavatra nokitihana mba tsy hiteraka fikorotanana ho an’ny hafa » hoy i Mahery, mpianatra momba ny fiaraha-monina.
Mangataka ny hijeren’ny tomponandraikitra ny zava-misy araka izany ny mponina ary miandry ny fandraisana fepetra manoloana ny faharatsian’ity lalana ity.
