Russie : Tovovavy 14 taona monja no naniraka olona namono ny reniny
Renim-pianakaviana iray 38 taona antsoina hoe Anastasia Milosskaya no novonoina ary nokendain’ny lehilahy roa tao Russie. Mbola tanora ireo nahavanon-doza ireo, ary ny zanany vavy 14 taona monja ihany no naniraka azy ireo. Nokaramain’io tovovavy io 325 000 Roubles (18 tapitrisa Ar) ireo mpamono olona raha ny tatitra.
Reny tokan-tena i Anastasia Milosskaya, nipetraka niaraka ny zanany vavy sy ny olon-tian’io zanany io izy. Nikasa nandroaka ilay zazalahy nefa ilay renim-pianakaviana rehefa nahatsikaritra fa manana fitaoman-dratsy amin’ilay tovovavy izy. Io antony io no namonoan’ilay zazavavy ny reniny ary raha ny fanazavana dia tao an-trano izy sy ilay olon-tiany tamin’ny fotoana namonoan’ireo lehilahy roa ny reniny.
Nofonosana plastika sy kodoro kosa ny razan’i Anastasia Milosskaya ary nariana tao anaty fitoeram-pako iray tao amin’ny faritanin’i Balashikha, ao atsinanan’i Moscou. Efa eo am-palantanan’ny manam-pahefana kosa ireo tanora efatra voarohirohy amin’ny raharaha.
