ActualitésTsidika

Ambohitrandriamanjaka Ambohimanga : Tanàna miorina an-tendrombohitra tsy mijaly rano indrindra

Fokontany iray mandafitra ny kaominina Ambohimanga Rova i Ambohitrandriamanjaka, ary manana ny mponina ao aminy sy ny tantarany ihany koa. Raha miohatra amin’ireo fokontany maro ao Ambohimanga rova dia anisany manana ny maha izy azy io Ambohitrandriamanjaka io ary manana ny mampiavaka azy ihany koa.

Araka ny efa fantatra dia anisany vohitra iray niandohan’izany hoe fanjakan’Imerina izany Ambohimanga, ary izany anisany mahatonga ny Rova ao aminy voasokajy ho vakoka iraisam-pirenena. Ny tsara ho fantatra koa anefa di any ankabeazan’ny tanàna sy fokontany ao aminy dia manan-tantara avokoa ary indrindra mifandraika amin’ny mpanjaka nitondra teto Madagasikara sy ireo andrian-dehibe.

Manana fokontany 22 Ambohimanga rova ary isan’izany Ambohitrandriamanjaka, izay 5km raha miala eo amin’ny kaominina raha 17km kosa miala ny renivohitry Madagasikara. Manana mponina eo ho eo amin’ny 1 169 izy ary vohitra miisa 4 no mandrafitra azy, dia Ankadivory sy Anjazamarolahy sy Ambohimanoa ary io Ambohitrandriamanjaka io.

Raha aran-tantara raha ny fitantaran’i Jerison Zokiolona eo amin’ny tanàna dia « Rehefa hihazo an’Ambohimanga dia tsy maintsy mandalo eo Ambohitrandriamanjaka, toerana fandalovàn’Andrianampoinimerina arak’izany io tanàna io, eaf in-telo niova ny anran’io tanàna io ka Ampiankanjoana no anarany voalohany noho izy toerana fiankanjoan’ny mpanjaka Andrianampoinimerina, raha Tafohasina kosa ny faharoa ary farany izay vao lasa Ambohitrandriamanjaka. Nisy andriana nitoetra teo fa tsy nanjaka izy, aminy manokana mantsy dia ny vahoaka no manjaka fa tsy ny mpitondra ka tapaka ny hevitra fa hatao hoe ny vohitra no manjaka ka izay no nahatonga ilay hoe Ambohitrandriamanjaka ».

Mbola tavela eo daholo ny famantarana rehetra fa nandalovan’ny mpanjaka Andrianampoinimerina ny tanàna, ka isan’izany ny vato iray eo afovoan-tanàna. Somary kelikely izy io. Vatolahy no iantsoana azy. Andrianampoinimerina no nametraka io vato io mba ho famantarana fat any masina io, ataon’ny olona toy ny famato koa izy io, ary tsy azo lotoina. Misy ihany koa ny vatovavy izany hoe vato masina ihany koa izy io ary vadin’ilay vatolahy izy io hoy ny mpanasina doany iray. “Nisy fotoana nianjera io vatovavy io ary niteraka loza ho an’ny iray tanàna izany ka navaozina izy io ary nomarihina fa vadin’ilay vato iray”.

Na dia tanàna miorina eo ambony vato aza Ambohitrandriamanjaka dia manana loharano ihany koa, dia Ambazaha izany, rano mbola fatsakàn’ny olona hatramin’izao izy io, ary efa nantsakan’ny mpanjaka Andrianampoinimerina fahiny koa izy io, ka fantany vao tsy teo no rano nalaina ho azy. Anisan’ny tombony be ho an’io tanàna io ny fanànana an’io lohaano io, na dia tsy misy rano avy amin’ny Jiama aza, dia tsy ritra mihitsy iorano io fa eo foana. Noho ny fitiavan’ny mponina mikojakoja koa dia naùmboarin’izy ireo io fatsakàna io mba hadio sy ho tsara endrika.

Azo lazaina hoe tanàna be mponina ihany izy ary ny ankabetsahan’ny olona ao an-toerana dia mpamboly sy mpiompy amin’ny maha tanàna ambanivohitra azy. Manana velaran-tany azo lazaina hoe goavana ihany koa izy ka izay no mahatonga ny olona mifototra amin’io seham-pivelomana io. Tanàna tsy mialon-jafy, ary azo tsidihina tsara io tanàna io. Tsy be fady izy na dia hoe tanàn’Andriana aza, fa kosa misy zavatra mahaliana maro ihany anefa.

Laisser un commentaire